Toriteny tamin’ny Alahady 05 Oktobra 2025 (Fidirana faharoa)
« MAMORIA VOKATRA HO AN’NY TOMPO » « Fa maro no antsoina nefa vitsy no fidina » (Mat. 22: 14) Famaranana sy famintinana ny fanoharana nataon’i Jesoa Kristy ny
« MAMORIA VOKATRA HO AN’NY TOMPO » « Fa maro no antsoina nefa vitsy no fidina » (Mat. 22: 14) Famaranana sy famintinana ny fanoharana nataon’i Jesoa Kristy ny
« Miorena amin’ny antson’ny Tompo » Gen. 12: 1- 9Ahitantsika ilay antso miezinezina dia ny niantsoan’Andriamanitra an’i AbramaRehefa miteny isika hoe « antso » dia misy karazana antso 2
Alahady faharoa amin’ny Karemy Loha-hevitra« Mampiorina ny mino ny Tenin’Andriamanitra » Perikopa : 2Tan. 12/1-8 ; Jao 8/ 25-30 ; Heb.13/7- 11 Toriteny tamin’ny Fidirana
Alahady IV manaraka ny Paska « Ankatoavy ny fitarihan’ny Fanahy Masina » Nalaina tao amin’ny Lioka 13: 8-12 Fampianarana nataon’i Jesoa Kristy ho an’ny mpianatra Tiany hankato
Alatsinainy 02 Febroary 2026 : Kol. 2. 8- 15
Anankiray amin’ny antsoina hoe: Epistilin’ny fifatorana ity Kolosiana ity, satria tany am-ponja tany Roma i Paoly no nanoratra azy. 1 Epafra no nampita tamin’i Paoly fa manambana ny Fiangonana tany Kolosia ny fampianaran-diso te hampifandray ny filazantsara amin’ny Filozofia, amin’ny fivavahana amin’ny anjely, ny amin’ny fampahorian-tena. Ary izany no mahatonga an’i Paoly manoratra azy ireo mba hitandrina:
1. Tsy ho voafitaky ny fampianarana sadasada (and 8)
«Tandremo fandrao misy mahalasa anareo ho babony amin’ny filosofia sy ny famitahana foana…fa tsy araka an’i Kristy». Taomina ny Kristiana hihazona ny fampianarana araka an’i Kristy izay efa notoriana sy nampianarina azy, tsy hiroaroa saina na hirona amin’ny fampianarana mamitaka! Tano mafy izay anananao hoy i Jesoa mba tsy hisy haka ny satroboninahitrao (Apo3.11)
2. Hitoetra ao amin’i Kristy (and 11)
«Ary tao aminy koa no namorana anareo…». Miverimberina eto ny hoe «ao aminy»! Midika izany ao amin’i Kristy irery ihany no itoeran’ny mino, ary Kristy irery ihany koa no ivon’ny fiainany sy tompom-pahefana tokana eo amin’ny fiainany koa na iza na inona hisarika azy hanalavitra an’i Kristy dia laviny marin-drano!
Mandehana ianao dia manaova toy izany koa!
3. Tsy hanadino fa efa olom-baovao (and 12)
«…fa niara-nilevina taminy ianareo tamin’ny batisa, izay niarahanareo natsangana taminy koa». Misongadina eto fa rehefa natao batisa ny mino dia manana fiainana vaovao ao amin’i Kristy izy (2 Kor 5. 17), koa tsy handrarak’ilo mby an-doha ka hiverina amin’ny fiainana lasa indray fa hizotra tsara amin’ny lalam-pamonjena! Tandremo ny 2 Pet 2. 221
Fanontaniana:
Aiza ho aiza ny fifandraisanao amin’i Kristy?
Sampana Sekoly Alahady Foibe
« MAMPAHAFANTATRA NY ASAN’NY TOMPO NY SORATRA MASINA »